Alakamisy 17 febroary 2022. Isan’ireo fanampiana ireo mpamokatra ao amin’ny faritra iasany ny fividianan’Ambatovy ny vokatra legioma sy voankazo vokarin’izy ireo. Voankazo sy legioma 22,4 taonina mahery (ka isan’izany ny korizety 10,7 taonina, harikôvera 7,4 taonina ary pasiteky 900kg) no novidian’Ambatovy tamin’ny fikambanana tantsaha telo (FIMIAM, Firaisantsoa, KOMAFI) ao Moramanga, ny taona 2021, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny desambra 2021. Marihina fa nahatratra 44,53 taonina ireo voankazo sy legioma novidian’Ambatovy tamina tantsaha 150 ao Moramanga, ka vehivavy ny 79 ary lehilahy ny 71, avy amin’ny fikambanana tantsaha efatra (FIMIAM, Firaisantsoa, KOMAFI ary Rindra).