Alakamisy 17 febroary 2022. Nanao poa-droa tamin’ny fifaninanana nokarakarain’Ambatovy mikasika ny ady amin’ny doro tanety ny Vondronolona Ifotony (VOI) Ambohimanarivo Ala Maintso (AAM), izay iray amin’ireo mavitrika indrindra manodidina ny Toerampitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga. Nikarakara fifaninanana mikasika ny ady amin’ny doro tanety eo amin’ny samy fikambanana tantsaha Ambatovy, ny volana septambra ka hatramin’ny desambra 2021, mba hamafisana ny ady atao aminy sy hanentanana ny tantsaha handray anjara bebe kokoa amin’izany ady izany. Notanterahina ny 9 febroary 2022 tao Ampitambe, Moramanga, ny fanolorana ny loka ka nomen’Ambatovy bisikileta iray, ambiokam-bary 200 kg ary angady 50 ny AAM izay nandrombaka ny laharana voalohany. Mbola nahazo valisoa hafa nahitana borety iray, “pulvérisateurs” dimy ary ambiokam-bary 200 kg ihany koa ity VOI ity noho izy nahavita nanao fanentanana maro indrindra amin’ny ady amin’ny doro tanety. Marihina fa teo amin’ny laharana faharoa tamin’ny fifaninanana mikasika ny ady atao amin’ny doro tanety no nisy ny fikambanana Tsinjo Ezaka ary nomen’Ambatovy borety iray sy ambioka 200 kg ihany koa izy ireo.