Alakamisy 31 marsa 2022. Omen’Ambatovy lanja manokana ny fiarovana sy fikajiana ny faritra mando manana laza iraisampirenena, dia ny Site Ramsar ao Torotorofotsy izany, izay tsy lavitra ny Toerampitrandrahany ao Moramanga. Nandray anjara tamin’ny fanakalazana teny anivon’ny faritra ny Andro Manerantany ho an’ny Faritra Mando, izay notanterahina tao Ambohitrapanga, Kaominina Ambanivohitra Andasibe, Distrikan’i Moramanga, ny 17 marsa 2022, Ambatovy. Ny Asity Madagascar izay mpitantana io faritra io ary nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa tamin’Ambatovy, ny septambra 2015, no nikarakara ny hetsika. Manohana ny asa ataon’ity fikambanana ity ao anatin’io faritra tantanany io eo amin’ny lafiny vola sy teknika izany Ambatovy. Tsiahivina fa isan’ireo toerana nofidian’Ambatovy hatao ho fanonerana ny haren-javaboaary ny henihenin’i Torotorofotsy sy ny sahan-driakany. Tanjona ny hanonitra ny haren-javaboaary mety ho simba noho ny fitrandrahana izay atao. “Miahy ny faritra mando, miahy ny olombelona sy ny natiora” no lohahevitry ny fankalazana ny andro manerantany tamin’ity taona ity.