Alakamisy 31 marsa 2022. Nihoatra lavitra ny tanjona napetraka ny vokatra azo tamin’ny ady atao amin’ny VIH/SIDA eo anivon’ny tontolon’ny asa, ho an’ireo mpiasa an-tsitrapo Mpanabe Olon-tsahala ao amin’ny Toerampitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga, nandritra ny taona 2021. Raha mpiasa 200 no nokendrena hanaovana fanentanana, dia nahatratra 282 no vitan’izy ireo ary mpiasa 181 no nanaiky ny hanao fitiliana an-tsitrapo raha 150 no tanjona napetraka. Manoloana izany vokatra tsara azon’izy ireo izany dia mpiasa an-tsitrapo Mpanabe Olon-tsahala 63 avy ao amin’ny Toerampitrandrahany no notoloran’Ambatovy fankasitrahana, ny 18 marsa 2022, tao Moramanga.