Alakamisy 28 avrily 2022. Ataon’Ambatovy ho laharampahamehana ambony indrindra ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ireo mpiasa ao aminy. Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Aroloza sy ny Fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana, izay notanterahina ny 28 sy 29 avrily 2022 tao amin’ny Garan’i Soarano Ambatovy. Fotoana nahafahan’Ambatovy nizara tamin’ny daholobe ireo vaovao sy tsara ho fantatra mikasika ny asany ary indrindra ireo fepetra sy fenitra hentitra raisin’ny orinasa mba ho afaka hiasa lavitry ny loza ireo mpiasa ao aminy.