Alakamisy 22 septembre 2022. Isan’ireo fandraisana anjara an-tsitrapo ataon’Ambatovy mba hanatsarana ny toe-pahasalaman’ny mponina manodidina ny Toerampitrandrahany ao Moramanga ny fanohanana fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo izay iarahany miasa amin’ny sampandraharahan’ny Fahasalamam-bahoaka eo anivon’ny distrikan’i Moramanga (Service de District de la Santé Publique). Mponina manodidina ny 270 no nisitraka fitsaboana maimaimpoana (isan’izany ny vakisiny, didimpoitra, fandrindra-piterahana…) ny volana aogositra teo tao Ambohibolakely, Kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, Distrikan’i Moramanga. Hisy fitsaboana maimaimpoana ihany koa ho an’ny tanànan’Ambohimanarivo sy Berano amin’ny volana nôvambra ho avy izao. Marihina fa sady niantoka ny fikarakarana sy ny lafiny fampitaovana ireo fitsaboana maimaimpoana ireo Ambatovy no nanome fanafody maimaimpoana ihany koa ho an’ny marary nandalo fitsirian’ny mpitsabo. Ataon’Ambatovy ho laharampahamehana voalohany indrindra ho azy ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ny mponina manodidina sy ny mpiasa ao aminy.