Alakamisy 22 septembra 2022. Nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa hanohanana ny jono maharitra ao amin’ny kaominina Toamasina sy Amboditandroroho Ambatovy sy ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Atsinanana (DRPEB), ny fiandohan’ny volana septambra 2022 teo, tao Toamasina. Izany dia tafiditra ao anatin’ireo ezaka ataon’Ambatovy amin’ny fametrahana ny fandrosoana lovainjafy ao amin’ireo faritra iasany. Haharitra telo taona ny fiarahamiasa eo amin’ny roa tonta ary mikendry indrindra ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpanjono, ny hampaharitra ny jono ary hanamafy ny fahafahan’ny mponina miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro. Isan’ireo mizaka ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetrandro mantsy iny faritra iny. Ambatovy no hiantoka ny famatsiam-bola ny fandaharanasa ary ny DRPEB hanohana eo amin’ny lafiny teknika (tolo-kevitra, fampiofanana, fanolorana teknisiana).