Alakamisy 22 septembra 2022. Ho fanatsarana ny faripiainan’ireo mponina manodidina ny toerana iasany dia manampy ireo tantsaha ao Moramanga izay nisafidy ny sehapihariana fiompiana tantely Ambatovy. Noraisin’ny orinasa an-tanana ny fampiofanana mikasika ny fiompiana tantely ho an’ireo tantsaha avy ao amin’ny tanànan’Ankazotokana sy Ampangadiatrandraka. Nomen’Ambatovy toho tantely miaraka amin’ny renitantely ihany koa izy ireo ho fanampiana azy ireo amin’ny fanombohana ity asa mampidi-bola ity. Ankoatra izany, hanampy azy ireo ihany koa ny orinasa amin’ny fivarotana ny vokatra amin’ny alalan’ny fampifandraisana azy, ireo amin’ireo mpanjifa. “Efa hatry ny ela aho no tao anatin’ity sehapihariana fiompiana tantely ity. Najanoko ilay izy taty aoriana satria nisy nangalatra foana ny tanteliko izay napetrako tany an’ala. Faly aho ankehitriny fa afaka hiverina hiompy tantely indray noho ny fanampiana nataon’Ambatovy. Voaaro kokoa ny toho-tantely satria apetraka aty an-tanàna. Manantena izahay fa hitombo avo roa heny farafaharatsiny ny vokatra taorian’ny fampiofanana nomen’Ambatovy anay”, hoy Atoa Samijaona, iray amin’ireo mpisitraka ny tetikasa ao Ankazotokana.