Alakamisy 26 aogositra 2021. Miaraka miasa akaiky amin’ireo vondronolona ifotony (VOI) Ambatovy amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana manodidina ny Toerampitrandrahany ao Moramanga. Hanavao ny fifanarahana famindram-pitantanana ireo haren-javaboaary ny enina (6) amin’izy ireo, ka ny dimy ( Miaro ny Tontolo Iainana (MTI), Ezaka sy Fandrosoana (EF), Telomira, FITAMA sy Ambohimanarivo Ala Maintso (AAM) hahazo fanavaozana folo taona ary telo taona kosa ho an’ny VOI Velonaina avy ao Morarano Gara. Nahafapo ny asa nataon’izy ireo araka ny tombana nataon’ny “Circonscription de l’Environnement et du Développement Durable (CIREDD) Moramanga, ny volana febroary ka hatramin’ny volana jona 2021, ka afaka ny hanavao indray ny fifanarahana ireo VOI ireo izay tohanan’Ambatovy amin’ny lafiny maro. Manohana ny famindram-pitantanana ireo faritr’ala amin’ireo VOI Ambatovy, manampy azy ireo amin’ny lafiny teknika momba ny fitantanana ny harena voajanahary ary manampy azy amin’ny velontenany mba hampihena ny fitrandrahany ny ala.