Alakamisy 26 aogositra 2021. Ho fandraisany anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana dia hanolotra vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra zazavavy avy amin’ireo fianakaviana marefo ao anatin’ny faritra iasany ao Toamasina sy Brickaville Ambatovy manomboka amin’ny taom-pianarana 2021-2022. Tafiditra ao anaty tetika filamatra io fanampiana ataon’Ambatovy io ka ankizy mahafeno ny fepetra takiana ( fahazoana ny salanisa ilaina, fisoratana anarana amin’ireo sekolim-panjakana ao Toamasina I na II na Brickaville) mianatra ao amina sekoly 28 avy amin’ireo toerana ireo no voakasika. Tanjona amin’izany ny hanampiana ireo mpianatra zazavavy hahazo fanabeazana tsaratsara kokoa sy hanamaivanana ireo fandaniana amin’ny fampianarana azy ireo izay tsy maintsy zakain’ny ray aman-dreniny. Voakasik’io vatsim-pianarana io ny fandoavana ireo saram-pisoratana anarana, ny saram-pianarana isam-bolana ary ny fandaniana hafa mikasika ny fianaran’ireo ankizivavy ireo. Raha mahafeno hatrany ireo fepetra takiana ny mpianatra dia azo avaozina isan-taona ny fisitrahany an’io vatsim-pianarana io mandra-pahazoany ny diplaoma BEPC.