Alakamisy 10 nôvambra 2022. Notoloran’Ambatovy fitaovana infôrmatika ahitana solosaina iray, “imprimante” iray miaraka amin’ny kojakoja samihafa, toy ny « convertisseur 220v » misy « régulateur », vatoaratra 12v ary seza ny « poste avancé » Zandarimariam-pirenena ao Ampitambe, Moramanga, ny fiandohan’ny volana ôktobra 2022 teo. Misanda 7,4 tapitrisa ariary mahery ity fanomezana ity ary natao indrindra mba hanampiana ny Zandarimariam-pirenena amin’ny fanatontosana ny asany eo amin’ny fitandroana ny filaminana sy fiarovana ny olona sy ny fananany eny amin’iny faritra iny.