Alakamisy 10 nôvambra 2022. Manohana tetikasa fampiofanana sy fanentanana mikasika ny arolozan’ny fifamoivoizana ho an’ireo mpampiasa lalana ao Moramanga mandritra ny volana ôktôbra sy nôvambra 2022 Ambatovy. Ataon’ny orinasa laharampahamehana voalohany ny aroloza sy ny fahasalamana ho an’ny mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina. Miompana indrindra amin’ny fampitaovana ankapobeny, ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampiofanana, amin’ny fanentanana ary amin’ny serasera, fanomezana takelaby hita eny amin’ny lalana ary fitaovana ampiasain’ny Pôlisim-pirenena ny fandraisana anjara ataon’Ambatovy amin’ity tetikasa ity. Miaraka miasa amin’ity tetikasa ity ny Lehiben’ny Distrikan’i Moramanga, ny Kaominina andrenivohitra Moramanga, ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (DRETFP), ny Pôlisim-pirenena ao Moramanga ary ny fikambanana Matsara. Hiandraikitra ny fampiofanana sy ny fanentanana ny DRETFP, ny fikambanana Matsara ary ny Pôlisim-pirenana ka mpianatra 2 500 avy amina sekoly 22, mpamily « cyclopousse », bajaj sy « bus » 1 480 ao Moramanga no hiantefan’ny tetikasa.