Alakamisy 18 nôvambra 2021. Nanohana ny antso nataon’ny Madagascar Fauna and Flora Group (MFG), fikambanana tsy miankina mitantana ny valanjavaboaary ao Ivoloina Toamasina Ambatovy, ka nanome fefy vy makarakara 100 metatra azy ireo, ny 3 nôvambra 2021. Misanda 8 tapitra ariary mahery ity fanomezana ity ary natao hikarakarana ireo tranon’ny gidro misy fahasimbana ao anaty valanjavaboaary. Tsiahivina fa manome lanja manokana ny fiarovana ny gidro Ambatovy ary manana drafi-pitantanana manokana ho an’ny gidro hita ao anatin’ny alan’Ambatovy- Analamay.