Alakamisy 2 febroary 2023. Isan’ireo asa fametrahana ny Fandrosoana Lovainjafy ataony any amin’ny faritra iasany ny fanohanan’Ambatovy ny fampananana asa ny tanora ao Moramanga amin’ny alalan’ny famatsiana vola ny fampiofanana azy ireo eo amin’ny sehapihariana samihafa toy ny petakofehy, “soudure”, fandikàna teny vahiny. Ny volana ôktobra sy nôvambra 2022 no notontosaina ireo fiofanana ireo ary nandritra izany fotoana izany ihany koa no namatsian’Ambatovy vola ny fiofanana sy fanentanana ho amin’ny fanatsarana ny fampiasana ny lalana ao Moramanga. Nozaraina fanamarinam-piofanana ireo 807 nisitraka ireo tetikasa fampiofanana ireo.