Alakamisy 29 desambra 2022. Miara-miasa akaiky amin’ireo Vondronolona Ifotony (VOI) amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana manodidina ny Toerampitrandrahany ao Moramanga Ambatovy ary manohy hatrany ny fanohanany ireo mpikambana ao aminy amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaizamanaon’izy ireo. Mpikambana 45 ao anaty birao mpitantana VOI fito manodidina ny Toerampitrandrahana no nomena fampiofanana mikasika ny fomba fitananana fikambanana, ny fiaraha-miaina eo anivon’ny fikambanana sy ny teknika ampiharina rehefa manao fisafoana ny ala, tamin’ny volana nôvambra 2022 teo tao Moramanga. Niara-nisalahy tamin’ity fampiofanana ity ny Faripiadidian’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (CIREDD) Moramanga.