Toamasina, faha 8 Novambra 2023
Mahafaly an’Ambatovy ny mampahafantatra antsika fa fanintelony izao no nahazoantsika ny taratasy
fanamarinana ny ISO 9001:2015 ho an’ny asa “fanadiovana, fanadihadiana ary fanondranana ireo vokatra ato amin’ny Orinasa, dia ny nikela, kôbalta, sy zezika sulfate d’ammonium”. Nahazo ny taratasy fanamarinana ISO 14001:2015 sy ISO 45001:2018 ihany koa ny orinasa ho an’ny Ozinina, Seranantsambo ary ny toerana fanatobiana ambin’akora.
Ireo taratasy fanamarinana ireo izay navoakan’ny sampandraharaha misahana ny fanamarinana AFNOR, dia manamarina ny fahavononan’Ambatovy amin’ny fanatsarana hatrany ny vokatra sy ny tolotra izay omen’ny orinasa, ary koa ny fanajana ny tanjona napetraka amin’ny famokarana nikela sy kôbalta avo kalitao eo amin’ny tsena. Manaja ireo fenitra avo amin’ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina ihany koa isika, ary laharampahamehana ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpiasa sy ireo avy amin’ny orinasa mpiantoka asa. Tsy latsa-danja amin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana manodidina sy ny fametrahana tombontsoa maharitra ho an’ireo vondrom-piarahamonina ao amin’ny faritra iasantsika.
Ny fahazoantsika ireo fanamarinana ireo dia manamafy ny fahafahan’Ambatovy mamatsy amin’ny fomba mahomby ireo vokatra izay mahafeno ny fepetra takian’ny mpanjifa maneran-tany. Manasongadina ihany koa izany fa manaja ny fenitra sy ny fitsipika mifehy ny tsena iraisam-pirenena isika.
Maneho ny fankasitrahana feno ho an’ny ekipa rehetra nandray anjara tamin’ny fahazoana ireo taratasy fanamarinana ireo izahay, noho ny fanolorantena sy ny fahavononana ary ny asa nasetrin’izy ireo