Alakamisy 18 nôvambra 2021. Miara-miasa akaiky amin’ireo vondronolona ifotony (VOI) ary manohana azy ireo amin’ny asa fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana manodidina ny Toerampitrandrahana ao Moramanga Ambatovy, nanomboka ny taona 2011. Vondronolona ifotony telo, Ezaka sy Fandrosoana Ambohitranivo, Ambohimanarivo Ala Maintso ary Miaro ny Tontolo Iainana ao Ambatomainty no notohanan’Ambatovy tamin’ny asa fanarahamaso ny haren-javaboaary (biby sy zava-maniry) ao anatin’ny faritr’ala izay tantanin’izy ireo, nandritra ny iray volana sy tapany mahery, nanomboka ny volana septambra ka hatramin’ny ôktôbra teo. Mpikambana 130 mahery avy amin’ireo fikambanana tantsaha telo ireo no nandray anjara mavitrika tamin’ity asa ity izay atao isaky ny roa taona araka ny voalazan’ny bokin’andraikitra mifehy azy ireo. Nifantoka tamin’ny fampitaovana ny asa fanaraha-maso, ny tambin-karama ho an’ny mpandray anjara ary ny fampiofanana ireo mpikambana mikasika ny maha zava-dehibe ny fanaraha-maso ny biby sy ny zava-maniry amin’ny fitantanana ny haren javaboaary ny fanampiana nentin’Ambatovy. Hanampy ny VOI hahalala ny fisian’ny zavamananaina arovana sy ny fitomboan’izy ireo ireny asa fanarahamaso ny haren-javaboaary ireny ary hanome azy ireo ny vokatry ny ezaka vitany tamin’ny fitantanana maharitra izany.