Jeudi 29 décembre 2022. Mponina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toerampitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny noho ny tetikasa iray izay novatsian’Ambatovy vola misanda 212 tapitrisa ariary mahery. Paompy folo no napetraka tao amin’ny tanànan’Ampielemana, Ankazotokana, Ambatomainty, Ampangadiatrandraka, Behontsa ary Berano ka ny 15 desambra 2022 no nanolorana azy ireo tamin’ny fomba ôfisialy tao Berano. Nandritra izay fotoana izany ihany koa no nanolorana ny “récépissés provisoires“ ho an’ireo kômity mpitantana ny paompy izay hiantoka ny faharetan’ny fotodrafitrasa. “Tsy voatery handeha lavitra intsony izahay rehefa matsaka rano ary hihena no olana eo amin’ny lafiny fahasalamana, indrindra ny aretim-pivalanana. Manome toky izahay fa ho tsara tantana sy tsara kolokolo ireo paompy ireo satria efa nahazo fiofanana momba izany ny mpikambana”, hoy Jean Maurice, filohan’ny fikambanana Fanirisoa Fivoarana, izay mitantana ny paompy ao Berano.