Alakamisy 18 nôvambra 2021. Nandray ireo mpikambana ao amin’ny Kômity teknika misahana ny fanombanana (CTE), ny Ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE) ary ny kômitim-paritra misahana ny fanarahamaso sy ny tontolo iainana (CSRE) ao Alaotra Mangoro sy Atsinanana Ambatovy ny 18 ka hatramin’ny 23 ôktôbra 2021 teo. Tafiditra ao anatin’ny fanarahamaso sy ny fanombanana ara-potoana ny fampiharana ny drafi-pitantanana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ny lafiny sôsialy (PGEDS) sy ireo drafi-pitantanana manokana momba ny tontolo iainana (PGES) izay mamaritra ny bokinandraikitry ny orinasa ary mitambatra ao amin’ny fahazoan-dalana eo amin’ny lafiny tontolo iainana ity fitsidihana ity.