Alakamisy 30 septambra 2021.  780 tapitrisa ariary mahery. Io no fitambaran’ny vola avy amin’ny Tahirin’Ambatovy ho an’ny tetikasa sôsialy (FIS) izay natokan’ny orinasa hanohanana ireo vondrom-piarahamonina ao amin’ny faritra iasany izay lasibatry ny rivodoza farany teo. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa “post-cyclone” izay novatsian’ny FIS vola ireo fandraisana anjara ireo izay nahitana fanampiana samihafa, ka isan’izany ny fanarenana, ny fananganana efitrano fianarana vaovao ary ny asa fanadiovana tanàna. Iray amin’ireo fananganana vaovao vita tao anatin’io tetikasa io ny tranon tsekoly vaovao misy efitra fianarana telo, misanda 134 tapitrisa ariary, ho an’ny Sekoly ambaratonga fototra (EPP) ao Antanambao, Kaominina Ambanivohitra Beforona, ao Moramanga. Natolotra ny tomponandraikitra ny 13 septambra 2021 ny fanalahidin’io tranon-tsekoly vaovao io. Nahazo trano fianarana vaovao ihany koa ny EPP roa ao Moramanga (ao Ambavaniasy sy Androfia) sy EPP roa hafa ao Toamasina II ( ao Ambodibonara sy Antananambo) ka hotanterahina atsy ho atsy ny fanolorana ny fanalahidy amin’ny tomponandraikitra.