Alakamisy 30 marsa 2022. Nanolotra entana ilaina andavanandro misanda 20 tapitrisa mahery ho an’ny vehivavy marefo 700 avy amina kaominina valo ao amin’ny Distrikan’i Moramanga Ambatovy, tamin’ity volana marsa ity. Ao anatin’izay hetsika ho fanampiana ireo vehivavy marefo ao amin’ny faritra iasany izay ihany dia nomen’Ambatovy fanampiana eo amin’ny lafiny sôsialy izay nahitana entana ilaina andavanandro (vary, savony, menaka,…) ireo vehivavy 70 voafonja ao amin’ny Fonjan’Ambalatavoahangy, ao Toamasina. Reny tera-bao 50 tao amin’ny CSB II enina ao Toamasina sy ny manodidina, sy tao amin’ny Hôpitaly Be ao Toamasina ihany koa no nahazo fanampiana tamin’Ambatovy ary ireo zazakely 50 kosa nomena kojakoja toy ny tantin-jaza, akanjon-jazakely. Ankoatra izany, vehivavy marefo 14 avy amin’ny tanànan’I Vohitrambato sy Marovato, ao Toamasina II, izay toerana namindràna ireo mponina teny amin’ny faritry ny Ozinina ihany koa no nahazo tohana avy amin’ny orinasa izay nahitana vary sy savony.