Alakamisy 29 desambra 2022. Nanohina ny antso nataon’ny filohan’ny fokontanin’I Fierenana, ao Beforona, Distrikan’i Moramanga izay nitrangana haitrano naharavana trano 13 tamin’ny volana ôktobra 2022, Ambatovy. Nanolotra fanampiana vonjy taitra misanda 5,5 tapitrisa ariary mahery ho an’ireo traboina Ambatovy, ny volana nôvambra 2022 lasa teo. Nahitana vary 390 kg, siramamy 98 kg, tsaramaso 98 kg ary menaka 59 litatra ireo fanampiana ireo.