Toamasina, faha 12 Septambra 2023

Hiara-hiasa hametraka toeram-pisakafoana amin’ireo sekoly folo anatin’ny Distrikan’I Toamasina I, Toamasina II ary Brickaville Ambatovy sy ny Ofisim-paritra momba ny Fanjarian-tsakafo Atsinanana. Ny 12 septambra 2023 no natao sonia ny fifanarahana izay haharitra 3 taona. Sekoly fanabeazana fototra (EPP) ny valo amin’izy ireo (Vohitrambato, Ampihaonana, Soamahatsinjo, Tanandava, Amboakarivo, Ampasimadinika, Fanandrana, Tanambao), ary sekolin-jaza madinika ny roa (Tsaratsiry sy Romialo). Ankizy 2500 no hahazo tombony amin’izany. Manampy amin’ny fanatsarana ny taha-pahombiazan’ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanohanana azy ireo ara-tsakafo ity fiaraha-miasa ity.
Fiaraha-miasa nanomboka tamin’ny 2018 no tonga amin’izao fifanarahana izao rehefa hita fa nahazoana vokatra tsara. Naira-nisalahy izahay tamin’ny fametrahana toeram-pisakafoana tao amin’ny EPP Vohitrambato, Ampihaonana ary Soamahatsinjo. Tsara ny vokatra tamin’izany satria raha 74% no tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo dia nidina 43% izany ny fiandohan’ny taom-pianarana 2021-2022.
Ambatovy dia vonona hatrany hitondra ny anjara biriky ho an’ny fanabeazana sy ny fahasalaman’ireo zaza madinika amin’ny fiaraha-monina misy azy.