Toamasina, 10 Novambra 2023

Mitoetra hatrany ho laharampahamehana ho an’Ambatovy amin’ireo asa sôsialy ataony hanampiana ny vondrompiarahamonina ao anatin’ny faritra iasany ny fanohanana ny fanabeazana.

Nizara kojakojam-pianarana 5 500 eo ho eo ho an’ny mpianatry ny sekoly EPP 30 mahery ao anatin’ny distrikan’i Moramanga, Brickaville ary Toamasina I sy II Ambatovy, ho fanamaivanana ny vola lanin’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ireo zanany, ho amin’ny taom-pianarana 2023-2024.