Moramanga, 23 Jona 2023

Tafiditra ao anatin’ny fandraisany andraikitra hatrany ho fampahaleovana tena ireo vehivavy marefo ao anatin’ny faritra iasany ny nanoloran’Ambatovy trano iray vaovao ho an’ny fikambanam-behivavy Kanto ao Ambavaniasy (Distrikan’i Moramanga).
Manaraka ireo fenitra momba ny fahasalamana, ny fidiovana ary ny aroloza ity fotodrafitrasa vaovao ity ary hatao toerampiasana ho an’ny fikambanana izay misehatra amin’ny fanodinana ny vokatra eny an-toerana ho lasa kaonfitiora, henam-borona milona ary lohamenaka (« huiles essentielles »).