Toamasina, 21 Novambra 2023

Mpianatra 2 500 mahery no nisitraka sakafo 40 160 noho ny fandaharanasa ho an’ny fanjarian-tsakafo en an-tsekoly izay vokatry ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’Ambatovy sy ny Ofisim-paritry ny Fanjarian-tsakafo (ORN) Atsinanana. Haharitra telo taona ny fandaharanasa ka isan’ireo tanjona hotratrarina ny fanatsarana ny sakafon’ireo mpianatra, ny hampiakarana ny taham-pahombiazana amin’ny fanadinana CEPE ary ny hampihenana ny isan’ny ankizy mandao fianarana eo anivon’ny faritra.
Sekoly 10 ao Toamasina II no voakasiky ny fandaharanasa ka roa amin’ireo mampianatra ankizy madinika vao hiditra hianatra ary ny valo sekolim-panjakana Ambaratonga voalohany (EPP).

Mifantoka amina sampana telo lehibe ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’Ambatovy sy ny ORN Atsinanana: ny fanabeazana mikasika ny fanjarian-tsakafo ho an’ny vondrompiarahamonina manodidina sy ny eny an-tsekoly, fanohanana ny fanjarian-tsakafo eny amin’ireo sekoly voakasiky ny fandaharanasa amin’ny alalan’ny fizaràna sakafo maivana ary ny fanohanana eo amin’ny lafiny fitantanana. Kendrena amin’izao fiarahamiasa izao ny hahazoana
vokatra maharitra amin’ny alalan’ny fanatsarana hatrany ny fanjarian-tsakafo, fametrahana tontolom-pampianarana mahomby kokoa ary ny fampihenana ny isan’ny ankizy miala tsy hianatra intsony eo anivon’ny faritra.