Toamasina, 30 Novambra 2023

Ho fandraisany anjara amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ny rehetra mahazo fanabeazana tsara kalitao dia nanampy tamin’ny fametrahana famakiam-boky “numériques” ao Toamasina sy Moramanga Ambatovy tamin’ny alalan’ny fanomezana solosaina. Samy nomen’Ambatovy solosaina dimy avy ny toeram-pamakiam-bokin’ny Kaominina Andrenivohitra Toamasina sy ny an’ny Lycée Razafindrabe Victorien ao Moramanga. Mbola notoloran’Ambatovy fitaovana isan-karazany sy fanaka ihany koa ity sekoly ao Moramanga ity. Tanjon’ity fanampiana ity ny hanamora
ny fisitrahana ireo loharanom-pahalalana “numériques” sy hanamafy ny fahafahan’ireo vondrompiarahamonina nandranto fahaizana.