Toamasina, faha 15 Septambra 2023

Olon-dehibe 101, izay ahitana vehivavy 94, no nisitraka fampianarana mamaky teny sy manoratra ary manisa nandritra ny enimbolana, vokatry ny fiarahamiasa eo amin’ny DREN Atsinanana sy Ambatovy. Tamin-kafaliana no nanolorana ny mari-pahaizana ho azy ireo ny zoma 15 septambra lasa teo, tao Toamasina. Dingana iray lehibe indray no tontosa hametrahana fandrosoana lovainjafy eo anivon’ireo vondrom-piarahamonina iasan’Ambatovy. Hanokatra varavarana sy hanampy hanatsara ny hoavin’izy ireo ny fahaizana mamaky teny sy manoratra toy izao. Miarahaba ireo nahavita fiofanana
izahay ary misaotra ireo rehetra niara-nisalahy nahazoana izao vokatra tsara izao