Toamasina, 5 Aprily 2024

Miara-miasa akaiky amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atsinanana Ambatovy mba hanatsarana ny faripiainan’ireo mpanjono ao Toamasina amin’ny alalan’ilay tetikasa “Blue Economy”. Miroso tsara ny tetikasa ary efa nahitam-bokatra satria mpanjono 400 mahery nahazo karatra maha matihanina azy ireo, vondrona mpanjono dimy nomena taratasy vonjimaika milaza ny maha ara-dalàna ary lakana 261 nomena laharam-pamantarana. Teo ihany koa ny fametrahana takelaby ho an’ny fanairana mialoha ny loza (Système d’Alerte Précoce) ao Ambodisaina Ivondro sy Ambodisiny. Haharitra telo taona io tetikasa io ary mikendry indrindra ny hanatsara ny fidiram-bolan’ny mpanjono, ny hampaharitra ny asa fanjonoana eo anivon’ny faritra ary hanamafy ny fahafahan’izy ireo miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro. Nisy ihany koa, tamin’ny fiandohan’ny volana avrily 2024 teo ny fametrahana ny Vondrona Olona Antoerana miara- Manao tahiry sy MIfampindram-bola (VOAMAMI) teo anivon’ireo vondrona mpanjono madinika ao Toamasina mba hanampiana azy ireo hanatsara ny asa mampidi-bola ho azy sy hampaharitra ny tetikasa.