Antananarivo, 16 febroary 2023. Ao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAPRIZ, izay tohanan’ny JICA (l’Agence Japonaise de Coopération Internationale, sy ny Ministeran’ny Fambolena sy fiompiana, dia nanolotra « sulfate d’ammonium » 500 taonina Ambatovy ho fandraisana anjara amin’ny fanamafisana ny fiahiana ara-tsakafo sy ny ezaka ho an’ny fahavitan-tena amin’ny lafiny sakafo eto amin’ny firenena. Notontosaina androany, 16 febroary 2023, tao Morarano Chrome, Ambatondrazaka, ny fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy izany, izay natrehin’Atoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, Atoa Masoivohon’i Japana miasa eto Madagasikara, ABE Koji, Atoa Minisitry ny Fiompiana sy fambolena, Harifidy RAMILISON, ny solontenan’ny JICA miasa eto an-toerana, Rtoa TANAKA Kaori, ary Atoa Filohan’Ambatovy, Gustavo GOMES.
« Ity fanomezana ity dia tafiditra ao anatin’ny ezaka mitohy ataon’Ambatovy ho fanohanana ny fandrosoana lovainjafy eto amin’ny firenena mandray azy, sy ho fananganana hoavy mamiratra kokoa ho an’ny vondrompiarahamonina. Tsapanay tsara ny anjara toeran’ny fambolena eo amin’ny fiarahamonina malagasy, ka reharehanay ny manohana izany sehatra izany, sy ny hampisy fiantraika tsara amin’ny fiainan’ny tantsaha mpamokatra mihoatra ny 85 900, amin’ny alalan’ny fanatsarana ny voka-bary. Izao fanomezana izao dia porofon’ny teny nomenay ny amin’ny fitondrana tombondahiny iraisana ho an’ny vahoaka Malagasy », araka ny nambaran’ny Filohan’Ambatovy, Atoa Gus Gomes, nandritra ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ôfisialy ny « sulfate d’ammonium ».
Taorian’ny fanolorana ampahany voalohany “sulfate d’ammonium” milanja 180 taonina tamin’ny volana desambra 2022, izay notsinjaraina tamin’ireo tantsaha mpampiofana eo anivon’ny faritra 11 eto Madagasikara, dia niroso tamin’ny fanomezana ny andiany faharoa indray Ambatovy, ka « sulfate d’ammonium » milanja 320 taonina no hozaraina amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analamanga sy Boeny, ho an’ireo mpamboly vary, ao anatin’ny fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE).
Afaka mampitombo ny voka-bary izay somary antonony ny fampiasana “sulfate d’ammonium”, izay vokatra azo avy amin’ny dingana teknika famokarana nikela sy kôbalta.
Tsantaha mpamokatra eo ho eo amin’ny 85 900 no hisitraka ireto “sulfate d’ammonium » milanja 500taonina ireto.
Miezaka hatrany Ambatovy ny handray anjara mavitrika amin’ny fametrahana fandrosoana lovainjafy eto Madagasikara, ary manohana araka izay tratrany sy fahafahany ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena ho fitondrana ny anjara biriky amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, sy ny fanatsarana ny voka-pamokarana.