Alakamisy 2 febroary 2023. Nandray anjara mavitrika sy nanohana ny fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Faritra Mando izay notanterahina ny 2 febroary 2023 tao Maromahatsinjo ao anatin’ny Faritra Arovana Torotorofotsy, Distrikan’i Moramanga Ambatovy. “Fotoana izao hanarenana ny faritra mando” no lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity. Manohy hatrany ny fandraisany andraikitra amin’ny fiarovana sy fikajiana ny tontolo iainana sy ireo haren-javaboaary misy eto Madagasikara Ambatovy. Isan’ireo fandraisana anjara goavana amin’izany ny fiarovana sy fikajiana ny Faritra Arovana ao Torotorofotsy izay sady Site Ramsar rahateo, izay iarahany miasa amin’ny Asity Madagascar izay mpitantana an’io faritra mando io amin’izao fotoana izao. Manao asa maro ho famerenana ny ala ihany koa Ambatovy ary manohana ireo hetsika ho fiarovana ny tontolo iainana eo anivon’ny faritra sy ny firenena.