Toamasina, 30 Aprily 2024

Ho fandraisany anjara amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fidiovana sy ny fivoahan’ny rano maloto eo anivon’ny Kaominina Andrenivohitra Toamasina dia nitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fanadiovana ny tanàna Ambatovy. Natolotr’Ambatovy, ny 30 avrily 2024 teo, ny fitaovana isan-karazany hampiasaina amin’ny fanadiovana ny tanàna, toy ny lapelina 25, angady rovidela 28 ary borety valo. Tafiditra amin’ny asa fanohanana mitohy izay ataon’Ambatovy amin’ireo vondrompiarahamonina misy azy sady ho fanatsarana ihany ny asan’ireo mpiasan’ny kaominina ity fanomezana ity. Tsiahivina fa vao tsy ela akory izay, tamin’ny fiandohan’ny volana avrily, no nandray anjara mavitrika tamin’ny asa vonjy taitra fanalana ireo rano niandrona teo anivon’ny Kaominina Andrenivohitra Toamasina Ambatovy, tamin’ny alalan’ny fanomezana fiara vaventy toy ny “tractopelles”, kamiao “bennes” ary “compresseurs d’usine” izay niasa nandritra ny andro maromaro.