Toamasina, 10 May 2024

Tsara no sady mahabe fanantenana. Nahitam-pahombiazana ny valo volana voalohany nisian’ny fandaharanasa nataon’Ambatovy ho fanohanana tanora mpandraharaha 50 eo ho eo ao Alaotra Mangoro sy Atsinanana. Orinasa sivy no tafiditra ao anaty sehatra ara-dalàna ary nahazo ny laharana fandoavan-ketra sy ny karatra statistika (NIF/ STAT). Nahafahan’ireo tanora mpandraharaha ireo nampitombo ny vola miditra amin’izy ireo, tao anatin’ny enim-bolana monja nahazoany tohana, ihany koa ity tetikasa izay iarahan’Ambatovy sy ny ONG Saint-Gabriel, La Fabrique manatontosa ity. Nanampy azy ireo hampahafantatra sy hanome lanja kokoa ny vokatr’izy ireo teo imason’ny mpanjifa ihany koa ny nandraisany anjara tamina hetsika 13 teo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Ankoatra izany, asa antselika 120 mahery no niforona teo anivon’ny faritra noho ny fisian’ity tetikasa ity izay nitondra ainga vao ho an’ny tontolo ny fandraharahana any an-toerana. Marihina fa ny ONG Saint-Gabriel, La Fabrique no miantsoroka, mandritra ny roa taona, ny fitarihan-dalana sy ny fampiofanana ireo mpandraharaha ireo ka tafiditra amin’izany ny torolalana mifanaraka amin’ny filàn’ny tsirairay eo amin’ny fitantanana orinasa, ny « marketing », ny fampivoarana ny fahaizan’ny tsirairay, ny toetsaina tokony hananan’ny mpandraharaha