Anatin’ny fandraisan’andraikitra ataony ho an’ireo vondrom-piarahamonina manodidina sy ireo mpiombonantoka aminy dia notoloran’Ambatovy fitaovana infôrmatika ireo fitaleavam-paritry ny minisitera, borigadin’ny Zandarimariam-pirenena, ary kaominina ambanivohitra sasantsasany ao amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Notsinjaraina ho andiany samihafa izany fanolorana izany tamin’ity taona 2024 ity, ka nandritra ny andiany faharoa izay notontosaina ny volana ôktôbra 2024, no nanomezan’Ambatovy solosaina 35 sy “imprimantes” enina ho an’ireo mpiombonantoka aminy ireo. Isan’ireo mpisitraka ny sekoly ambony Ecole Supérieure Polytechnique d’Antananarivo (ESPA) izay nomena solosaina valo sy ireo kojakoja rehetra miaraka amin’izany ary “imprimante” iray; ny fikambanana ONG Saint-Gabriel- La Fabrique ao Toamasina izay nahazo solosaina efatra miaraka amin’ny kojakoja rehetra ilaina. Nomen’Ambatovy solosaina roa avy kosa ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary ao Moramanga sy Amboditandroho ao Toamasina II. Tsiahivina fa efa nanome fitaovana infôrmatika manodidina ny 15 teo ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana sy fitaleavam-paritra eo anivon’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinanana Ambatovy nandritra ny andiany voalohany izay notanterahina ny volana mey 2024.