Alakamisy 2 febroary 2023. Ho fampitomboana hatrany ireo tombontsoa mivantana azo avy amin’ny fiasany eto Madagasikara dia ataon’Ambatovy laharampahamehana ny fampidirana ho mpiasa ao aminy ireo mpiasa eto an-toerana. Nanangana fandaharanasa antsoina hoe “Internship Program” ny orinasa mba hitiliana ireo tanora Malagasy manam-pahaizana, izay homena fiofanana ary horaisina miasa avy eo. Ny volana nôvambra 2021 no nanomboka ny fandaharanasa ary tanora 47 avy amina sekoly ambony sy oniversite avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara no nanombohana azy. Mpiana-draharaha 44 hafa ihany koa no noraisina ny taona 2022. Manohy hatrany io fandaharanasa io ny orinasa ary manatona ireo toeram-pampianarana ambony. Nisy ny famelabelarana miaraka amin’ny fandraisana antontan-taratasy ho an’izay liana amin’ny tetikasa izay nokarakarain’ny orinasal tany amina tanàn-dehibe samihafa, toa an’Antsiranana, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa ary Antananarivo, mandritra ny volana desambra 2022 sy janoary 2023.