Alakamisy 23 martsa 2023. Nanolotra fanomezana misanda 19 tapitrisa ariary ny orinasa, ny faran’ny volana janoary 2023, mba hanohanana ny ady atao amin’ ny VIH/SIDA ao Moramanga. Hita ao anatin’izany fanomezana izany izay natao hanampy ireo tanora Mpanabe Olon-tsahaza sy mpiasan’ny Sampandraharahan’ny Fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Distrikan’i Moramanga (SDSP) amin’ny asany, ny karazana fitaovana enti-manabe, ny fanamiana enti-miasa, petadrindrina sy takelaka fanentanana samihafa. Manohy hatrany ny fandraisany anjara amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA Ambatovy izay mametraka ho laharampahamehana ambony indrindra ny fahasalamana sy ny aroloza ho an’ny mpiasa ao aminy sy ny mponina manodidina. Isan’ireo fandraisany anjara amin’ity ady ity ny fanohanana ireo fanentanana ny olona momba ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fanaovana fitiliana eo anivon’ny orinasa sy ny vondrompiarahamonina manodidina.