Alakamisy 2 febroary 2023. Amin’ny maha orinasa mandray andraikitra sy vonona hiaro sy hikajy ny tontolo iainana ao amin’ny faritra iasany dia manaraka ireo fomba fiasa manodina sy manome aina vao indray ireo zavatra efa niasa Ambatovy. Tontosa ny volana desambra 2022 teo, tao Moramanga, ny fanaovan-tsonia ny fiarahamiasa eo amin’Ambatovy sy ny fikambanana Vonjy Aina momba ny asa fanodinana ireo zavatra efa niasa avy ao amin’ny Toerampitrandrahan’Ambatovy. Haharitra dimy taona azo avaozina io fiarahamiasa io. Isan’ny ho voakasika amin’izany, ohatra, ireo plastika, barika vy, kodiarana efa niasa izay ahodina sy omena aina vao indray ho lasa fitaovam-piasana eny an-jaridaina sy eny an-tsaha (siny fanondrahana, borety…), « pavés autobloquants », fanaka (seza plastika…).